Tonga tao Maorisy i Mgr Vincent William RYAN.
Niara-dia ho aty Madagasikara niaraka tamin’ny Jeneraly JOHNSTONE i Mgr RYAN sy ilay katekista Malagasy antsoina hoe SARRADIE.
Noraisin’ny Mpanjaka Radama II ny Mgr RAYAN sy ny Jeneraly JOHNSTONE; ary notoloran’izy ireo taratasy sy baiboly avy amin’ny Mpanjakavavin’i Angletera Victoria izy.
Tonga tao Mahavelona i Rev William HEY sy Rev John HOLDING avy amin’ny Society for the Propagation of the Gospel (SPG).
Tonga tao Toamasina i Rev Thomas CAMPBELL sy Rev Herbert MAUNDRELLE avy amin’ny Church Missionary Society (CMS) ary nifindra tany Vohémar.
Niakatra voalohany ho any Antananarivo ny Rév CHISWELL avy amin’ny SPG sy ny Rév MAUNDRELLE avy amin’ny CMS, ary noraisin’ny Mpankavavy RASOHERINA.
Nohamasinina ho eveka voalohan’i Madagasikara i Rev Robert KESTELL-CORNISH tao amin’ny fiangonana Santa Jaona tao Edimbourg.
Tonga tao Toamasina i Mgr Robert Kestell CORNISH, niaraka tamin’ny presbytrera roa dia i F.A. GREGORY sy H.W. LITTLE, mpianatra roa J. COLES sy E.C. CROTTY ary vehivavy telo, anisan’izany i Miss LAURENCE, misionera vehivavy voalohany nalefan’ny fikambanan’ny vehivavy SPG.
Tonga teto Antananarivo ny Eveka sy ireo mpiara-dia taminy. Noraisin’ny Mpanjakavavy RANAVALONA II sy ny Praiministra RAINILAIARIONY izy ary nahazo ny fankatoavana hiasa malalaka tamin’ny toerana izay tiany niasana.
Fankalazana ny fanamasinana an’i RAINIVOAJA ABEDNEGO ho diakona Malagasy voalohany.
Nivoaka ny laharana voalohany amin’ny gazety anglikana “NY MPIARO”.
Fanokafana ny Kolejy Santa Paoly ao Ambatoharanana, nahitana fiofanana ho an’ny mpitondra fivavahana, fambolena, fiompiana ary taozavatra.
Vita printy tanteraka ny “Boky Fivavahana” voadika manontolo tamin’ny teny Malagasy.
Fanokanana ny Fiangonana Santa Paoly Ambatoharanana
Fandatsahana ny vatofehizoron’ny Katedraly St Laurent Ambohimanoro nataon’ny Praiminisitra RAINILAIARIVONY.
Natsangan’ny Arsidiakona Mac MAHON ny misiona ao Ramainandro.
Nivoaka ny laharana voalohany amin’ny gazety “TANTARA SY HEVITRA”.
Fitokanana ny Katedraly Sta Laurent Ambohimanoro, natrehin’ny Praiminisitra RAINILAIARIVONY.
Fitokanana ny Sta Rehetra Ramainandro, natrehin’i Rajoelina 13Vtra, iraky ny Mpanjaka.
Notoraham-bato tao Ambodinivato Mahanoro ny katekista ABELA BOTO.
Nohamasinina ho eveka faharoa an’i Madagasikara tao amin’ny katedraly St Paul, Londres ny Rev. Georges Lanchester KING.
Niorina ny FIKAMBANAN’NY RENINJAZA teto Madagasikara.
Nankatoavin’ny Synoda ho ara-dalàna ny “Sekoly Alahady”
Nohamasinina ho eveka fahatelo i Rev. George KESTELL CORNISH
Natsangan’i Rev. RADLEY sy M. JOHNSON MICHAEL ny hetsika skoto eto Madagasikara.
REV. CALEB RAZAFIMINO no Malagasy voalohany nahazo mari-pahaizana BACHELIER EN THEOLOGIE.
Nohamasinina ho eveka fahefatra ny Rev. Ronald S. M. O’FERALL.
Nohamasinina ho eveka mpanampy ho an’ny morontsiraka atsinanana i Rev. Grosvenor MILES.
Nohamasinina ho eveka fahadimy i Rev. Gerald VERNON; tafiditra teto Antananarivo andro mialoha ny Andro Noely 1941.
Napetraka ny “Caisse Centrale” na “Vadim-Piangonana”
Nandao an’I Madagasikara i Mgr Gerald VERNON ary nosoloan’i Mgr Thomas PARFITT.
Nohamasinina tao Lambeth (Londres) i Rev. Jean MARCEL ho eveka Malagasy voalohany.
Nohamasinina tao Londres i Rev. James SETH ho eveka Malagasy faharoa.
Fitsidihan’i Sa Grace Mgr Dr Michael RAMSEY, Arsevekan’i Canterbury teto Madagasikara
Nohamasinina ho eveka Malagasy fahatelo i Rev. Gabriel JOSOA tao amin’ny katedraly St Laurent Antananarivo.
Nozaraina ho telo ny diosesy teto Madagasikara: Antsiranana, Antananarivo ary Toamasina.